Romans 6:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa isaorana Andriamanitra, fa na dia efa andevon’ny ota aza ianareo, ny fonareo kosa dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary isaorana Andriamanitra, fa na dia nanompo ny fahotana aza anie ianareo, dia nanaiky tao am-po tokoa ny fitsipi-pampianarana natolotra anareo;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isaorana Andriamanitra fa mpanompon’ny fahotana ianareo fahiny, ary ankehitriny kosa dia manaiky am-po tokoa ny fampianarana naroso taminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa isaorana Andriamanitra, fa na dia efa andevon’ny ota aza ianareo, ny fonareo kosa dia efa nanaraka ny fomban’ny fampianarana izay nanolorana anareo;
malagasy
Ary isaorana anie Andriamanitra, fa na dia efa mpanompon'ny ota aza ianareo, ny fonareo dia efa nanaraka ny fomban'ny fampianarana izay nanolorana anareo;