Romans 6:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho andevon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ka nanatanteraka ny tsy fanarahan-dalàna, dia mba atolory toy izany koa ny momba ny tenanareo ankehitriny ho andevon’ny fahamarinana, mba hahatanteraka ny fahamasinana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Miteny araka ny fanaon’ny olona aho, noho ny fahalemen’ny nofonareo: tahaka ny nanoloranareo ny tenanareo hanompo ny fahalotoana sy ny tsy fahamarinana hahatanteraka ny tsy fahamarinana, no aoka hanoloranareo ny rantsam-batanareo ankehitriny hanompo ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miteny araka ny fiheveran’ny besinimaro aho noho ny halemenareo ara-nofo. Taloha dia nanolotra ny zavatra anisan’ny tenanareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ianareo, ka tonga olona ratsy fanahy; toy izany koa ankehitriny, aoka ianareo hanolotra ny zavatra anisan’ny tenanareo saingy ho mpanompon’ny fahamarinana mba hanananareo toetra masina.
Malagasy Bible 1865
Miteny araka ny fanaon'ny olona aho noho ny fahalemen'ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsi-fanarahan-dalàna, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon'ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo ho andevon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ka nanatanteraka ny tsy fanarahan-dalàna, dia mba atolory toy izany koa ny momba ny tenanareo ankehitriny ho andevon’ny fahamarinana, mba hahatanteraka ny fahamasinana.
malagasy