Romans 7:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ny lalàna amin’ny lahy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka amin’ny lalànan’ny fanambadiana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ohatra: ny vehivavy manam-bady dia fehezin’ny lalàna ho an’ny lahy raha mbola velona ny lahy: fa afaka amin’ny lalàn’ny lahy kosa izy rehefa maty ny lahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ohatra: ny vehivavy manambady dia fehezin’ny lalàna mba ho an’ny vadiny, raha mbola velona ny lahy; fa rehefa maty kosa ny lahy, dia afaka amin’ny lalàna mamehy azy amin’ny lahy izy.
Malagasy Bible 1865
Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin’ny lalàna amin’ny lahy raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy dia afaka amin’ny lalànan’ny fanambadiana izy.
malagasy
Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy.