Romans 7:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
saingy mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho; izy io dia miady amin’ny lalànan’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalànan’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ny lalàna hitako amin’ny rantsam-batako sy manohitra ny lalàn’ny saina no manandevo ahy amin’ny lalàn’ny fahotana izay ao amin’ny rantsam-batako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
nefa misy toe-javatra hafa hitako ao amin’ireo zavatra anisan’ny tenako, dia toe-javatra manohitra ny lalàna ankatoavin’ny saiko sady toe-javatra mahatonga ahy ho voafatotry ny fanapahan’ny fahotana izay miasa ao amin’ireo zavatra anisan’ny tenako.
Malagasy Bible 1865
nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
saingy mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho; izy io dia miady amin’ny lalànan’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalànan’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako.
malagasy
nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako.