Romans 7:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika aho! Koa raha ny amiko dia andevon’ny lalànan’Andriamanitra aho amin’ny saiko, fa ny lalànan’ny ota kosa amin’ny nofoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hisaorana anie Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Izaho izany, dia sady mpanompon’ny lalàn’Andriamanitra amin’ny saina no andevon’ny lalàn’ny fahotana amin’ny nofo koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa isaorana Andriamanitra Izay hanafaka ahy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Koa manompo ny lalànan’Andriamanitra izany aho amin’ny saiko, fa andevozin’ny fanapahan’ny fahotana kosa amin’ny maha olona mpanota ahy!
Malagasy Bible 1865
Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Misaotra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy* Tompontsika aho! Koa raha ny amiko dia andevon’ny lalànan’Andriamanitra aho amin’ny saiko, fa ny lalànan’ny ota kosa amin’ny nofoko.
malagasy
Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko.