Romans 7:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ankehitriny kosa dia efa afaka tamin’ny lalàna isika, satria maty ny amin’izay nihazonana antsika ka manompo araka ny fanavaozana avy amin’ny Fanahy fa tsy amin’ny fomba tranainy tao ambanin’ny lalàna voasoratra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ankehitriny kosa dia afaka amin’ny Lalàna isika fa efa maty ny amin’ny Lalàna izay nifehezana antsika, ka manompo an’Andriamanitra amin’ny fanahy vaovao, fa tsy amin’ny soratra lany taona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny kosa dia afaka amin’ny lalàna isika, fa maty tamin’izay namehezana antsika; hany ka fomba vaovao araka ny Fanahy Masina no anompoantsika an’Andriamanitra fa tsy fomba tranainy araka ny lalàna voasoratra.
Malagasy Bible 1865
Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra.