Romans 8:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny an’ny Fanahy noho ny fahamarinana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa raha ao anatinareo i Kristy, na dia maty aza ny vatana noho ny fahotana, dia miaina kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha ao anatinareo kosa i Kristy, na dia ho faty aza ny vatanareo noho ny fahotana, ny Fanahy Masina no fiainanareo satria efa neken’Andriamanitra ho marina ianareo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota dia fiainana kosa ny an’ny Fanahy noho ny fahamarinana.
malagasy
Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa]