Romans 9:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa fony tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy, dia nolazaina tamin-dRavehivavy hoe: «Hanompo ny zandriny ny zokiny» (Gen 25.23),
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
satria mbola tsy teraka akory ireo, ka mbola tsy nanao soa na ratsy (mba tsy hiova ny laha-pifidianan’Andriamanitra, tsy avy amin’ny asa, fa amin’ny safidin’Izy niantso),
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Andriamanitra anefa, mba haharetan’ny fikasany, dia mifidy olona; ary ny fifidianana dia tsy miankina amin’ny asa vitan’ny olona fa miankina amin’ny fiantsoan’Andriamanitra azy. Koa tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo ary tsy mbola nanao tsara na nanao ratsy, dia izao no tenin’Andriamanitra tamin’i Rebekà: «Ny zokiny no hanompo ny zandriny!»
Malagasy Bible 1865
fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'izay miantso),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa fony tsy mbola teraka akory ireo zaza ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy, dia nolazaina tamin-dRavehivavy hoe: «Hanompo ny zandriny ny zokiny» (Gen 25.23),
malagasy
fa raha tsy mbola teraka ireo, ary tsy mbola nanao tsara na ratsy (mba hitoeran'ny fikasan'Andriamanitra araka ny fifidianana, tsy avy amin'ny asa, fa avy amin'izay miantso),