Romans 9:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hilaza amiko ianao hoe: Koa nahoana ary Izy no manome tsiny ihany? Fa iza moa no afaka hanohitra ny sitrapony?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianao kosa hanao amiko hoe: «Ka ahoana indray no anomezan’Andriamanitra tsiny, nefa tsy misy mahatohitra izay sitrapony tsinona?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hisy angamba hilaza amiko hoe: Raha izany no izy, inona no mbola anomezan’Andriamanitra tsiny ny olona? Iza moa no mahatohitra ny sitrapony?
Malagasy Bible 1865
Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hilaza amiko ianao hoe: Koa nahoana ary Izy no manome tsiny ihany? Fa iza moa no afaka hanohitra ny sitrapony?
malagasy
Hianao ary dia hanao amiko hoe: Koa nahoana Izy no manome tsiny ihany? Fa iza no manohitra ny sitrapony?