Romans 9:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary araka izay nambaran’Isaia mialoha hoe: «Raha tsy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namela taranaka ho antsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tahaka an’i Gomora isika» (Isa 1.9).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izany no nilazan’i Izaia rahateo hoe: «Raha tsy namelàn’Andriamanitry ny tafika, taranaka isika, efa tonga iray lasitra tamin’i Sôdôma, sy nanahaka an’i Gômôra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary izany dia araka izay voalazan’i Isaià taloha hoe: «Raha tsy ny Tompon’izao rehetra izao no namela taranaka ho antsika, dia ho efa sahala amin’i Sôdôma isika ary ho efa nanahaka an’i Gômôra.»
Malagasy Bible 1865
ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary araka izay nambaran’Isaia mialoha hoe: «Raha tsy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, no namela taranaka ho antsika, dia efa tonga tahaka an’i Sodoma sy tahaka an’i Gomora isika» (Isa 1.9).
malagasy
ary araka izay nolazain'Isaia fahiny hoe: Raha tsy Jehovah, Tompon'ny maro, no namela taranaka ho antsika, Dia efa tonga tahaka an'i Sodoma sy tonga tahaka an'i Gomora isika (Isa. 1. 9).