Romans 9:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
araka ny voasoratra hoe: «Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; izay mino Azy dia tsy hitsanga-menatra» (Isa 8.14; 28.16).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
araka ny voasoratra hoe: Indro, apetrako ao Siôna ny vato manafintohina sy ny vatolampy mahasolafaka; fa izay mino Azy ihany no tsy mba ho menatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Indro Aho mametraka vato mahasolafaka sy vatolampy mampianjera ao Tsiôna; kanefa izay mino Azy tsy mba hangaihay.»
Malagasy Bible 1865
araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
araka ny voasoratra hoe: «Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona*; izay mino Azy dia tsy hitsanga-menatra» (Isa 8.14; 28.16).
malagasy
araka ny voasoratra hoe: Indro Aho mametraka vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka ao Ziona; Ary izay mino Azy tsy ho menatra (Isa. 8. 14; 28. 16).