Ruth 1:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandehana miverena, anaka! Fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony. Raha hoy aho: Mbola misy fanantenana ihany ho ahy, eny, na dia hanambady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandehana mody, anaka. Efa antitra aho ka tsy hanambady intsony. Ary na dia hilaza aho fa manantena ihany, na dia hanam-bady anio alina ihany sy hiteraka zazalahy aza,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandehana mody, rey anaka, satria efa antitra aho izao ka tsy hahazo vady intsony. Ary na dia hilaza aza aho hoe: «Mbola misy fanantenana ho ahy; fa rahalina ihany, dia hanambady aho ary hiteraka zazalahy koa!»,
Malagasy Bible 1865
Miverena ihany ianareo, anaka, ka mandehana; fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony tsy akory. Raha hoy izaho: Manantena ihany aho, eny, na dia hanam-bady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandehana miverena, anaka! Fa efa antitra aho ka tsy hahazo vady intsony. Raha hoy aho: Mbola misy fanantenana ihany ho ahy, eny, na dia hanambady anio alina aza aho ka hiteraka zazalahy,
malagasy