Ruth 1:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany. Ary nanoroka ny rafozany vavy i Orpa, fa i Rota kosa dia nifikitra taminy ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary i Orfà nanoroka ny rafozany, fa i Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanandram-peo nitomany indray izy roa vavy. Ary nanoroka an-drafozambaviny i Hôrpà ho fanaovam-beloma azy, fa i Rota kosa nifikitra teo aminy.
Malagasy Bible 1865
Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany. Ary nanoroka ny rafozany vavy i Orpa, fa i Rota kosa dia nifikitra taminy ihany.
malagasy
Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany.