Ruth 1:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa i Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiverina tsy hanaraka anao! Izay alehanao no halehako, ary any amin’izay atorianao ho hatoriako; ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Rota: «Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’i Rota hoe: –Aza terena handao anao sy hiala amin’ny fanarahana anao aho; fa any amin’izay halehanao no halehako, ao amin’izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro,
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin'ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa i Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiverina tsy hanaraka anao! Izay alehanao no halehako, ary any amin’izay atorianao ho hatoriako; ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro;
malagasy