Ruth 1:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandeha izy mianaka ka tonga tany Betlehema. Rehefa tonga tany Betlehema izy dia taitra ny iray tanàna manontolo nahita azy ka hoy ny vehivavy: I Naomy va re ity?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niara-nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Nony niditra an’i Betlehema izy ireo, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ary hoy ny vehivavy: «Fa i Nôemì ve io e?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha niaraka izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Rehefa tonga tao Betlehema izy ireo, dia taitra taminy avokoa ny tao an-tanàna rehetra, ka hoy ireo vehivavy hoe: «I Nahômỳ tokoa ve ity?»
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandeha izy mianaka ka tonga tany Betlehema. Rehefa tonga tany Betlehema izy dia taitra ny iray tanàna manontolo nahita azy ka hoy ny vehivavy: I Naomy va re ity?
malagasy
Dia nandeha izy mianaka mandra-pahatongany tany Betlehema. Ary rehefa tonga tany Betlehema izy, dia taitra taminy ny tanàna rehetra, ka hoy ny vehivavy hoe: Naomy va re ity?