Ruth 1:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nivoaka nanam-be aho fa nampodìn’NY TOMPO ho tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no mbola ataonareo hoe Naomy, nefa NY TOMPO nitsangana ho fahavaloko, ary ny Tsitoha nampahory ahy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Feno tanana aho no nivoaka fa foan-tanana kosa no ampodin’i Iaveh. Ka ahoana no iantsoanareo ahy hoe Nôemì ihany; nefa i Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nanam-be aho fony niala teto, fa izao kosa nampodin’ny TOMPO tsy manana na inona na inona; koa aza antsoinareo intsony re aho satria efa namely ahy ny TOMPO Tsitoha ary efa nahatonga loza tamiko.
Malagasy Bible 1865
Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nivoaka nanam-be aho fa nampodìn’NY TOMPO ho tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no mbola ataonareo hoe Naomy, nefa NY TOMPO nitsangana ho fahavaloko, ary ny Tsitoha nampahory ahy?
malagasy
Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.