Ruth 1:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina i Naomy sy i Rota vinantovaviny, vehivavy moabita, ilay niaraka taminy tamin’izy niverina avy tany amin’ny tany Moaba. Tonga tao Betlehema izy tamin’ny niandohan’ny taom-pijinjana ny varimbazaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy izany no nodian’i Nôemì, ary niaraka taminy i Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy amin’ny tanin’i Moaba. Tonga teo Betlehema izy ireo tamin’ny niandohan’ny fijinjana orja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia toy izany no niverenan’i Nahômỳ avy any amin’ny faritr’i Môaba; ary niaraka taminy koa i Rota, vehivavy môabita vinantony. Tonga tany Betlehema izy mianaka tamin’ny fiandohan’ny fijinjana vary ôrza.
Malagasy Bible 1865
Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin'izy niverina avy tany amin'ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin'ny niandohan'ny taom-pijinjana ny vary hordea.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina i Naomy sy i Rota vinantovaviny, vehivavy moabita, ilay niaraka taminy tamin’izy niverina avy tany amin’ny tany Moaba. Tonga tao Betlehema izy tamin’ny niandohan’ny taom-pijinjana ny varimbazaha.
malagasy