Ruth 1:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny roa: Andeha, samia mody any amin’ny tranon-dreninareo avy ianareo! NY TOMPO anie hanisy soa anareo araka izay nataonareo tamin’ny maty sy tamiko koa!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Nôemì tamin’ireto vinantony roa vavy: «Andeha samy mody any an-tranon-dreninareo avy ianareo. Enga anie ka hanao soa anareo i Iaveh toraky ny efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia hoy i Nahômỳ tamin’ireto vinantovaviny: –Mandehana mody any an-tranon-dray aman-dreninareo avy ianareo; hanasoa anareo anie ny TOMPO, araka izay efa nataonareo tamin’ireo maty sy tamiko koa.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny roa: Andeha, samia mody any amin’ny tranon-dreninareo avy ianareo! NY TOMPO anie hanisy soa anareo araka izay nataonareo tamin’ny maty sy tamiko koa!
malagasy
Ary hoy Naomy tamin'ny vinantony roa vavy: Andeha, samy mody any amin'ny tranon-dreninareo avy ianareo; mba hohasoavin'i Jehovah anie ianareo araka izay efa nataonareo tamin'ny maty sy tamiko koa.