Ruth 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy havan’ny vadin’i Naomy avy amin’ny fokon’i Elimeleka. Lehilahy mpanjatobe izy io, Boaza no anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanana havam-bady anankiray i Nôemì; lehilahy manan-jo sy manan-karena, avy amin’ny fianakavian’i Elimeleka izy io, ary Booza no anarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary Nahômỳ dia nanana havana, lehilahy manan-karena be avy amin’ny fianakavian’i Elimelèka vadiny; ny anarany atao hoe Bôhaza.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy havan'ny vadin'i Naomy avy amin'ny fokon'i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy havan’ny vadin’i Naomy avy amin’ny fokon’i Elimeleka. Lehilahy mpanjatobe izy io, Boaza no anarany.
malagasy
[Ny nitsimponan'i Rota salohim-bary teny an-tanimbarin'i Boaza, sy ny soa nataon'i Boaza taminy] Ary nisy havan'ny vadin'i Naomy avy amin'ny fokon'i Elimeleka, lehilahy mpanjatobe, Boaza no anarany.