Ruth 2:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia namaly i Boaza hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ny rafozambavinao hatrizay nahafatesan’ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ny tany nahaterahanao ary ny nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy mbola fantatrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny navalin’i Booza azy: «Efa nilazana avokoa ny nataonao ho an’ny rafozanao hatrizay nahafatesan’ny vadinao aho; sy ny nandaozanao ny ray aman-dreninao mbamin’ny tany nahaterahanao, ka nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy fantatrao akory taloha.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namaly i Bôhaza ka nanao taminy hoe: –Efa notantaraina tsara tamiko avokoa izay nataonao tamin’ny rafozambavinao taorian’ny nahafatesan’ny vadinao; reko ny nandaozanao ny ray aman-dreninao sy ny tany nahabe anao ka nandehananao ho atỳ amin’ny firenena izay tsy mbola fantatrao akory taloha.
Malagasy Bible 1865
Dia namaly Boaza ka nanao taminy hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin'ny rafozanao-vavy hatrizay nahafatesan'ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin'ny tany nahaterahanao sy nankanesanao atỳ amin'ny firenena tsy mbola fantatrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia namaly i Boaza hoe: Efa reko tsara izay rehetra nataonao tamin’ny rafozambavinao hatrizay nahafatesan’ny vadinao sy ny nahafoizanao ny rainao sy ny reninao mbamin’ny tany nahaterahanao ary ny nankanesanao atỳ amin’ny firenena tsy mbola fantatrao.
malagasy