Ruth 2:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana dia hoy i Boaza taminy: Mankanesa atỳ ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ny mpijinja izy. Ary nakan-dRalehilahy lango izy dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia hoy i Booza tamin’i Rota: «Mandrosoa hihinana mofo ary atsobohy amin’ny vinaingitra ny tapa-mofonao». Dia nipetraka teo anilan’ny mpijinja izy, ary nomen’i Booza lango. Dia nihinana izy, ka voky, ary ny sisa notahiriziny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tamin’ny fotoana fisakafoana, dia hoy i Bôhaza tamin’i Rota: –Manatona atỳ hisakafo; makà tapa-mofo ary atsobohy ao anatin’ny lasôsy vinaingitra ny tapa-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ny mpijinja i Rota; ary notoloran’i Bôhaza lango izy. Dia nihinana ka voky, sady mbola nisy sisa notehiriziny.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atỳ, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin'ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan'ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana dia hoy i Boaza taminy: Mankanesa atỳ ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin’ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan’ny mpijinja izy. Ary nakan-dRalehilahy lango izy dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza.
malagasy