Ruth 2:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ny andro i Rota, dia nively izay efa voatsimpony ka nisy varimbazaha tokony ho iray efaha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitsimpona teo an-tanimbary mandra-paharivan’ny andro izy, dia noveleziny izay voatsimpony, ka orja sahabo ho iray efah.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitsimpona teo an-tanimbarin’i Bôhaza i Rota mandra-paharivan’ny andro, ary noveleziny ny salohy izay voatsimpony ka nisy vary ôrza tokony ho iray kitapo kely.
Malagasy Bible 1865
Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan’ny andro i Rota, dia nively izay efa voatsimpony ka nisy varimbazaha tokony ho iray efaha*.
malagasy
Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan'ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha.