Ruth 2:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy ny rafozambaviny taminy: Taiza no nitsimponanao androany ary taiza no niasanao? Hotahìna anie izay nitsinjo anao! Dia nambarany tamin’ny rafozambaviny ny olona izay niasany ka hoy izy: Boaza no anaran’ny lehilahy izay tompon’ny tanimbary nitsimponako androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ny rafozany taminy: «Taiza no nitsimpona ianao androany ary taiza no niasa? Hambinina anie izay nangoraka anao!» Nambaran’i Rota tamin’ny rafozany izay olona niasany nataony hoe: «Tany amin’ny lehilahy atao hoe Booza no niasa aho androany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny rafozambaviny taminy: –Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza ho aiza no niasanao? Hotahin ’Andriamanitra anie ilay olona nitsinjo anao! Dia notantarain’i Rota tamin’ny rafozambaviny izay toerana sy olona niasany, ka hoy izy hoe: –I Bôhaza no anaran’ilay lehilahy niasako androany.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin'ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran'ny lehilahy, izay tompon'ny tanimbary nitsimponako androany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy ny rafozambaviny taminy: Taiza no nitsimponanao androany ary taiza no niasanao? Hotahìna anie izay nitsinjo anao! Dia nambarany tamin’ny rafozambaviny ny olona izay niasany ka hoy izy: Boaza no anaran’ny lehilahy izay tompon’ny tanimbary nitsimponako androany.
malagasy