Ruth 2:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny: Hotahìn’NY TOMPO izay tsy nitsahatra nanao soa amin’ny velona sy ny maty anie izy. Ary hoy koa i Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany Ralehilahy, koa isan’izay mahavotra antsika izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Nôemì tamin’ity vinantony: «Hambinin’i Iaveh anie izy; fa tsy mitsahatra miantra ny velona, toy ny efa nataony tamin’ireo maty ihany koa.» Hoy i Nôemì taminy: «Havantsika akaiky io lehilahy io, sady anisan’izay mahazo manavotra antsika koa.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Nahômỳ tamin’ny vinantovaviny: –Ny TOMPO Izay tsy mitsahatra manao soa amintsika velona sy amin’ny maty anie hitahy azy! Hoy kosa izy hoe: –Io lehilahy io dia havana akaiky antsika, ka anisan’ireo mahavotra antsika.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Naomy tamin'ny vinantonivavy: Hotahin'i Jehovah anie izay tsy nitsahatra hanao soa amin'ny velona sy ny maty. Ary hoy koa Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany ralehilahy, ka isan'izay mahavotra antsika izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Naomy tamin’ny vinantovaviny: Hotahìn’NY TOMPO izay tsy nitsahatra nanao soa amin’ny velona sy ny maty anie izy. Ary hoy koa i Naomy taminy: Havantsika akaiky ihany Ralehilahy, koa isan’izay mahavotra antsika izy.
malagasy