Ruth 2:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy nety nisaraka tamin’ny mpanompovovavin’i Boaza izy fa nitsimpona mandra-pahatapitra ny fijinjana ny varimbazaha; tao amin’ny rafozambaviny izy no nitoetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka dia niaraka tamin’ireo mpanompovavin’i Booza izy mandra-pahatapitry ny fijinjana ny orja sy ny frômanta. Ary tao amin’ny rafozany ihany izy no nitoetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha nitsimpona niaraka tamin’ireo vehivavy mpiasan’i Bôhaza i Rota mandra-pahavitan’ny fijinjana ny vary ôrza sy ny varimbazaha rehetra. Dia niara-nipetraka tamin’ny rafozambaviny hatrany izy.
Malagasy Bible 1865
Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy nety nisaraka tamin’ny mpanompovovavin’i Boaza izy fa nitsimpona mandra-pahatapitra ny fijinjana ny varimbazaha; tao amin’ny rafozambaviny izy no nitoetra.
malagasy
Ary izy tsy nety nisaraka tamin'ny zatovovavin'i Boaza, fa nitsimpona mandra-pahatapitry ny fijinjana ny vary hordea sy ny vary tritika; ary nitoetra tao amin'ny rafozani-vavy Izy.