Ruth 2:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa hoy izy: Miangavy anao aho, aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorianan’ny mpijinja eny anelanelan’ny amboara. Dia tonga izy ka nijanona teto hatramin’ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tany an-trano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nilaza taminay izy nanao hoe: Mba avelao kely aho hitsimpona sy hanangona ny salohim-bary eny anelanelan’ny amboarany, eo aorian’ny mpijinja. Dia tsy nipetraka izy hatrizay nahatongavany haninaraina ka mandraka ankehitriny, ary izay fialany sasatra ao an-trano dia fohy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nangata-dalana izy mba hitsimpona sy hanangona salohim-bary eo aorian’ny mpijinja. Dia tonga izy ary naharitra niasa teto; hatramin’ny maraina ka mandraka izao, dia kely foana no nijanonany tetsy an-tranotomboka.
Malagasy Bible 1865
fa hoy izy: Masìna ianao aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorian'ny mpijinja eny anelanelan'ny amboara; dia tonga izy ka nijanona teto hatramin'ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tao an-trano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa hoy izy: Miangavy anao aho, aoka aho hitsimpona sy hanangona eo aorianan’ny mpijinja eny anelanelan’ny amboara. Dia tonga izy ka nijanona teto hatramin’ny maraina ka mandraka ankehitriny; kely foana no nitoerany tany an-trano.
malagasy