Ruth 2:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ho amin’ny tanimbary izay ijinjany ny masonao ka mandehana ao aorianany ianao: Tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ny siny ka misotroa amin’izay nantsakain’ny zatovo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jereo izay tanimbary hojinjaina ka manaraha eo aorian’ireo. Efa nolazaiko ny mpanompoko tsy hikasika anao. Ary raha mangetaheta ianao, mandehana eo amin’ny siny dia misotroa amin’izay nantsakain’ny mpanompo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jereo tsara ny tanimbary izay jinjain’ny mpanompoko, dia miaraha amin’ireo vehivavy mpitsimpona salohim-bary. Moa tsy efa nandidy ireo mpanompoko ve aho mba tsy hikasi-tanana anao akory? Ary rehefa mangetaheta ianao, dia mandehana misotro rano amin’ireo siny izay efa nofenoin’ireo mpanompoko.
Malagasy Bible 1865
Aoka ny masonao ho amin'ny tanimbary izay jinjany, ka manaraha eo aoriany ianao: tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin'ny siny, ka misotroa amin'izay antsakain'ny zatovo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ho amin’ny tanimbary izay ijinjany ny masonao ka mandehana ao aorianany ianao: Tsy efa nodidiako va ny zatovo tsy haninona anao? Ary raha mangetaheta ianao, mankanesa eroa amin’ny siny ka misotroa amin’izay nantsakain’ny zatovo.
malagasy