Ruth 3:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Naomy rafozambaviny taminy: Tsy hitady izay tokantrano hahitanao fiadanana va aho anaka, mba hahasoa anao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Nôemì rafozany taminy: «Te hitady toeram-pitsaharana hiadananao aho, anaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia hoy i Nahômỳ rafozambaviny tamin’i Rota: –Tsy maintsy mitady tokantrano misy fiadanana izay hahasoa anao aho anaka.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Naomy rafozambaviny taminy: Tsy hitady izay tokantrano hahitanao fiadanana va aho anaka, mba hahasoa anao?
malagasy
[Ny nangatahan'i Rota an'i Boaza hitondra loloha azy araka ny hevitra natoron'i Naomy] Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?