Ruth 3:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, anaka! Izao farany izao ianao dia nanao soa be lavitra noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nandehananao nanaraka ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy: «Hohasoavin’i Iaveh anie ianao, anaka, fa mihoatra noho ny voalohany ny fitiavanao farany, satria tsy mba nitady izay hoe tanora ianao, na manan-karena izany, na mahantra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Bôhaza hoe: – Hotahin ’ny TOMPO anie ianao, ry Rota! Ny firaiketam-po nasehonao tamin’ny fianakavian-drafozanao tamin’izao farany izao dia tsara lavitra noho ny tamin’ny voalohany; fa tsy nanaraka ireo tovolahy, na ny mahantra na ny manan-karena, ianao.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy: Hotahìn’NY TOMPO anie ianao, anaka! Izao farany izao ianao dia nanao soa be lavitra noho ny tamin’ny voalohany, noho ny tsy nandehananao nanaraka ny zatovo, na ny mahantra, na ny manankarena.
malagasy