Ruth 3:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hanavotra anao izy dia tsara izany, aoka izy no hanavotra anao; fa raha toa ka tsy hanao izany izy dia izaho no hanavotra anao, raha velona koa NY TOMPO! Mitoera ihany atỳ mandra-paharain’ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka anio alina, mitoera eto ihany; fa rahampitso raha te hanavotra anao izy, dia tsara, aoka hanavotra izy; fa raha tsy te hanavotra anao kosa izy, dia izaho no hanavotra anao. Velona i Iaveh! Fa mandria eo mandra-paharainan’ny andro».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mijanona eto ianao izao alina izao; fa anio maraina, raha hitondra loloha anao tokoa izy, dia tsara; aoka izy no hitondra loloha anao! Raha tsy tiany kosa ny hanao izany, dia izaho no hitondra loloha anao. Velona ny TOMPO ka eo anatrehany aho no mianiana hanao izany; fa matoria aloha ambara-paharainan’ny andro.
Malagasy Bible 1865
Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain'ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hanavotra anao izy dia tsara izany, aoka izy no hanavotra anao; fa raha toa ka tsy hanao izany izy dia izaho no hanavotra anao, raha velona koa NY TOMPO! Mitoera ihany atỳ mandra-paharain’ny andro.
malagasy