Ruth 3:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandry teo an-tongony mandra-paharain’ny andro i Rota, ary nifoha raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ifankahalalana iny. Fa hoy Ralehilahy: Aza avela ho fantatr’olona fa tatỳ am-pamoloana Ravehivavy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-paharainan’ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy hahafantaran-dahy, fa hoy i Booza: «Aoka tsy ho fantatr’olona akory fa tatỳ am-pamoloana ity vehivavy ity.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natory teo an-tongotr’i Bôhaza ambara-paharainan’ny andro i Rota, kanefa nifoha raha mbola maizimaizina tsy ahafantaran’olona iny. I Bôhaza manko nanao anakampo hoe: «Tsy tokony hisy hahalala fa tonga tatỳ am-pamoloana ravehivavy!»;
Malagasy Bible 1865
Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain'ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr'olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandry teo an-tongony mandra-paharain’ny andro i Rota, ary nifoha raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ifankahalalana iny. Fa hoy Ralehilahy: Aza avela ho fantatr’olona fa tatỳ am-pamoloana Ravehivavy!
malagasy