Ruth 3:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy koa izy: Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazòny. Ary rehefa nataony izany dia namatra varimbazaha inenin’ny famarana i Boaza ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna i Boaza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy kosa izy: «Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazony.» Dia nohazoniny ka namatra orja inenin’ny famarana sy nampitondrainy azy, vao lasa niverina any an-tanàna izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka hoy izy tamin’i Rota: –Ento etỳ iny lamba itafianao iny, ary hazony tsara. Rehefa nataony izany, dia nofenoin’i Bôhaza vary ôrza 15 kilao ka nampitondrainy azy. Dia lasa nody tany an-tanàna i Rota;
Malagasy Bible 1865
Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy koa izy: Ento atỳ ny lamba itafianao ka hazòny. Ary rehefa nataony izany dia namatra varimbazaha inenin’ny famarana i Boaza ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna i Boaza.
malagasy
Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.