Ruth 3:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tonga tany amin’ny rafozambaviny i Rota dia hoy i Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dRalehilahy taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tany amin-drafozany i Rota, dia hoy i Nôemì: «Inona no nataonao, anaka?» Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary nony tonga tany amin’ny rafozambaviny izy, dia nanontaniany hoe: –Nanao ahoana ianao tany, anaka? Dia notantarain’i Rota azy avokoa izay nataon’i Bôhaza taminy,
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tonga tany amin’ny rafozambaviny i Rota dia hoy i Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dRalehilahy taminy.
malagasy
Ary rehefa tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.