Ruth 3:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Naomy: Mitoera ihany anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha; fa tsy hijanona Ralehilahy raha tsy vitainy anio ihany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy i Nôemì: «Mijanòna eto, anaka, mandra-pahitanao izay hiafaran’izany, fa tsy hianina io lehilahy io raha tsy efa vitany anio io raharaha io.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Nahômỳ hoe: –Mipetraha eto, anaka, mandra-pahafantaranao izay hiafaran’ny raharaha; satria tsy hijanona i Bôhaza, raha tsy vitany anio ihany ny raharaha.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Naomy: Mitoera ihany anaka, mandra-pahafantatrao izay hiafaran’ny raharaha; fa tsy hijanona Ralehilahy raha tsy vitainy anio ihany izany.
malagasy
Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.