Ruth 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny, tsy isan’ny havantsika va i Boaza, tompon’ireo zatovovavy izay niarahanao? Indro, mikororòka varimbazaha eo am-pamoloana izy anio alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary amin’izao moa tsy havantsika va i Booza, tompon’ny ankizy vavy niarahanao? Indro fa hikororòka ny orja eo am-pamoloana izy anio alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatrao fa havantsika i Bôhaza sady ianao efa niara-niasa tamin’ny vehivavy mpiasany. Indro izy hikororoka vary ôrza ao am-pamoloana anio alina.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny, tsy isan’ny havantsika va i Boaza, tompon’ireo zatovovavy izay niarahanao? Indro, mikororòka varimbazaha eo am-pamoloana izy anio alina.
malagasy
Ary ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.