Ruth 3:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Boaza ka faly ny fony dia nandeha handry teo amin’ny sisin’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa i Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihinana sy nisotro i Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarỳ amin’ny faran’ny antontan’amboaram-bary, nitsaitsaika nanatona i Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Bôhaza, dia faly ka lasa nandry teo antsisin’ny antontam-bary; nanatona moramora kosa i Rota, dia nanokatra kely ny lamba teo an-tongotr’i Bôhaza ka nandry teo.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro i Boaza ka faly ny fony dia nandeha handry teo amin’ny sisin’ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa i Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
malagasy