Ruth 4:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafakatra teo am-bavahady i Boaza ka nipetraka teo dia indro nandalo ilay havana mahavotra voalazany. Dia hoy i Boaza: Ranona irỳ ô! Mivilia kely ka mipetraha eto! Dia nanatona izy ka nipetraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niakatra ho eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha i Bôhaza, ka nipetraka teo. Ary indro nandalo ilay havana mahavotra voalazan’i Bôhaza, ka nantsoiny hoe: –Avia kely ianao, ranona, mipetraha eto. Dia nanatona izy, ary nipetraka.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafakatra teo am-bavahady i Boaza ka nipetraka teo dia indro nandalo ilay havana mahavotra voalazany. Dia hoy i Boaza: Ranona irỳ ô! Mivilia kely ka mipetraha eto! Dia nanatona izy ka nipetraka.
malagasy
[Ny nampakaran'i Boaza an'i Rota, sy ny nahaterahan'i Obeda, ary ny filazam-pirazanana hatramin'i Fareza ka hatramin'i Davida] Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.