Ruth 4:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho tahaka ny taranak’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’NY TOMPO anao amin’ity zazavavy ity!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanahaka ny tranon’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Jodà anie ny tranonao, amin’ny taranaka homen’i Iaveh anao amin’ity zazavavy ity.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Enga anie ny tokantranonao ho tahaka ny an’i Peretsa, izay naterak’i Tamara reniny tamin’i Joda, ka ho betsaka ny taranaka izay homen’ny TOMPO anao amin’ity vehivavy tanora ity!
Malagasy Bible 1865
ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho tahaka ny taranak’i Fareza izay naterak’i Tamara tamin’i Joda, anie ny taranakao avy amin’ny zanaka izay homen’NY TOMPO anao amin’ity zazavavy ity!
malagasy
ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.