Ruth 4:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy. Ary NY TOMPO nampanana anaka azy dia niteraka zazalahy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nampakarin’i Booza i Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy i Booza. Ary nampanana anaka an’i Rota i Iaveh ka niteraka zazalahy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampakarin’i Bôhaza ho vadiny i Rota. Niray tamin’i Rota izy; ary nambinin’ny TOMPO ravehivavy ka bevohòka, dia niteraka zazalahy.
Malagasy Bible 1865
Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Boaza dia nampakatra an’i Rota ka nanambady azy. Ary NY TOMPO nampanana anaka azy dia niteraka zazalahy izy.
malagasy
Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.