Ruth 4:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hamelombelona ny ainao sy hikarakara anao amin’ny fahanteranao izy; fa niteraka azy ny vinantovavinao tia anao, dia ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Io no hamelona ny ainao sy ho tohan’ny fahanteranao, fa naterak’ilay vinantonao izay tia anao ka mihoatra noho ny zanaka lahy fito ho anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io zafinao io dia hampitombina ny fanahinao sy ho mpanolokolo anao amin’ny fahanteranao, satria ilay vinantovavy fatra-pitia anao sady tsara lavitra ho anao noho ny zanakalahy fito no efa niteraka azy.
Malagasy Bible 1865
Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hamelombelona ny ainao sy hikarakara anao amin’ny fahanteranao izy; fa niteraka azy ny vinantovavinao tia anao, dia ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
malagasy
Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.