Ruth 4:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanome anarana azy ny vehivavy namany ka niteny hoe: Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy! Ary ny anarany dia nataony hoe Obeda. Izy no rain’i Jese, rain’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vehivavy namany kosa nanome anarana azy nanao hoe: «nahazo zazalahy i Nôemì», ka nataony hoe Obeda, no anarany. Izy no rain’i Isaia, rain’i Davida.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vehivavy mpiara-monina kosa no nanome ny anarany, fa hoy ireo hoe: «Zazalahy no naterak’i Rota ho an’i Nahômỳ!»; koa ny anarany dia nantsoin’ireo hoe Hôbeda: Izy no rain’i Jisay izay rain’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanome anarana azy ny vehivavy namany ka niteny hoe: Misy zazalahy teraka ho an’i Naomy! Ary ny anarany dia nataony hoe Obeda. Izy no rain’i Jese, rain’i Davida.
malagasy
Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.