Ruth 4:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa ilay havana mahavotra: Tsy afaka manavotra ho an’ny tenako aho fandrao manimba ny lovako izany; avoty ihany ho anao izay tokony ho anjarako fa tsy mahavotra aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary namaly ilay mahazo manavotra: «Tsy afa-manavotra izany amin’ny anarako aho, fandrao dia manimba ny lovako indray. Ka ento ho anao ny fahazoako manavotra fa tsy afa-manavotra aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa novalian’ilay havana mahavotra hoe: –Tsy afaka hanavotra ho an’ny tenako aho raha izany, sao manimba ny anjara lovako. Avoty ho anao izay tokony havotako fa tsy afaka hanavotra aho.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa ilay havana mahavotra: Tsy afaka manavotra ho an’ny tenako aho fandrao manimba ny lovako izany; avoty ihany ho anao izay tokony ho anjarako fa tsy mahavotra aho.
malagasy
Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.