Ruth 4:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izao no fanao fahiny teo amin’ny Israely raha nisy raharaha fanavotana na fanakalozana, mba hahamafy orina ny teny rehetra: Nesorin’ny iray ny kirarony ka nomena ny iray. Izany no fanamarinam-panekena teo amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fanao teo amin’i Israely fahiny, raha misy fanavotana na fanakalozana, ny manala ny kirarony ny anankiray dia omeny ny iray hafa mba handraikitra ny raharaha, dia izany no natao vavolombelona teo amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa taloha, tany Israely, raha misy manavotra lova na mifanakalo fananana, dia esorin’ny olona ny kapany ka omeny ny namany, mba hanamafy ny faharaiketan’ny raharaha. Tany Israely dia izany no antoka fa raikitra ny raharaha.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izao no fanao fahiny teo amin’ny Israely raha nisy raharaha fanavotana na fanakalozana, mba hahamafy orina ny teny rehetra: Nesorin’ny iray ny kirarony ka nomena ny iray. Izany no fanamarinam-panekena teo amin’ny Israely.
malagasy