Song of Solomon 1:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tariho aho hanaraka anao, dia hiara-hihazakazaka isika; noentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony aho. Hifaly sy hiravoravo ao isika; hankalazaintsika mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; fitiavana marina no itiavany anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ento hanaraka anao aho; andao faingana isika! Nentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony mitokana aho, hientan-kafaliana sy hiravoravo aminao izahay, hidera ny fitiavanao, mihoatra noho ny divay izahay. An-drariny loatra ny itiavan’ny olona anao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ento aho hanaraka anao, ary aoka isika hihazakazaka. Dia ianao mpanjakako no hampiditra ahy an’efitranonao. Aoka isika, noho ny aminao, hiara-tsambatra sy hiara-paly; dia hankamamiantsika anie ny safosafonao izay fy mihoatra noho ny divay. Marina ny itiavan’ireo zatovovavy anao!
Malagasy Bible 1865
Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tariho aho hanaraka anao, dia hiara-hihazakazaka isika; noentin’ny mpanjaka ho ao an’efitranony aho. Hifaly sy hiravoravo ao isika; hankalazaintsika mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; fitiavana marina no itiavany anao.
malagasy