Song of Solomon 1:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ambarao amiko, ry ilay tian’ny foko, aiza no iandrasanao ny ondrinao, aiza no andriandrianao rehefa antoandro? Fa nahoana aho no ho tahaka izay mirenireny foana eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao ahy, ry malalan’ny foko izay iandrasanao ny ondrinao, izay ampandrianao azy raha mitatao vovona ny andro, mba tsy ho tahaka ny mpirenireny foana aho, eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao eny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambarao ahy, ry ilay tiako, izay iandrasanao ny ondrinao sy izay ampialanao sasatra azy rehefa mitataovovonana mba tsy hivezivezeko hitady anao eny amin’ny andiam-bibin’ireo namanao.
Malagasy Bible 1865
Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ambarao amiko, ry ilay tian’ny foko, aiza no iandrasanao ny ondrinao, aiza no andriandrianao rehefa antoandro? Fa nahoana aho no ho tahaka izay mirenireny foana eny amin’ny andian’ondrin’ny namanao?
malagasy
Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]