Song of Solomon 2:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ry voromailalako ao an-tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ny fialokalofana amin’ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho, fa mamy ny feonao, ary mampaharavoravo ny endrikao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ry voromahailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin’ny fialofan’ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao».
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
E ry voromahailalako mitoetra eny an-tsefatsefa-bato sy miery eny amin’ny hantsana, mba asehoy ahy ny endrikao ary ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao ary soa ny endrikao.»
Malagasy Bible 1865
E, ry voromailalako ao amin'ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin'ny fialokalofana amin'ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ry voromailalako ao an-tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin’ny fialokalofana amin’ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho, fa mamy ny feonao, ary mampaharavoravo ny endrikao.
malagasy