Song of Solomon 2:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, amin’ny milenti-masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Alohan’ny hangatsiatsiahan’ny andro, sy hahalasanan’ny aloka, mba miverena... Ry malalako, aoka ianao hanahaka ny gazela na ny zanaky ny serfa vavy eny an-tendrombohitra voatsefatsefaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny takariva mangatsiatsiaka, rehefa hilentika ny masoandro ka hihamaizina ny andro, dia miverena, ry malalako; ary aoka ianao ho mailamailaka toy ny gazela na ny diera tanora no manketỳ Ambohimisaraka.
Malagasy Bible 1865
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandra-pangatsiatsiaka ny andro, amin’ny milenti-masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao.
malagasy
Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. [Heb. mandositra ny aloka][Anaram-biby haingan-tongotra][Na: tendrombohitra manelanelana]