Song of Solomon 2:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy ny hazo paoma iray eo anivon’ny hazo any an’ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ny zanakalahy. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voankazony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny foto-pôma any afovoan’ny hazo any an’ala, ny malalako eo amin’ny zazalahy. Niriko ny hipetraka eo ambanin’ny alokalony, ary mamy ao am-bavako ny voany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny hazo paoma anankiray eo anivon’ireo hazo anaty saha, dia toy izany ity malalako eo anivon’ireo zatovolahy. Ka mahafinaritra ahy ny mipetraka eo ambany alokalon’io hazo paoma io, sady mamy ao am-bavako ny voany.
Malagasy Bible 1865
Toy ny hazo poma amin'ny hazo any an'ala, dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Toy ny hazo poma amin'ny hazo any an'ala, dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.