Song of Solomon 3:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, lamba volomparasy ny fipetrahana eo aminy; ny ao anatiny dia voatemitra fitiavana avy tamin’ny zanakavavin’i Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataony volafotsy ny andriny, volamena ny fiankinana, jaky ny fipetrahana; amborodao ny eo afovoany, asam-pitiavana avy amin’ny zanaka vavin’i Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Volafotsy no natao tanjany, volamena ny fiankinana, lamba volomparasy ny fipetrahana; ary ny ao anatin’io filanjana io dia ireo tovovavin’i Jerosalema no nandravaka azy tamim-pitiavana.
Malagasy Bible 1865
Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, lamba volomparasy ny fipetrahana eo aminy; ny ao anatiny dia voatemitra fitiavana avy tamin’ny zanakavavin’i Jerosalema.
malagasy
Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.