Song of Solomon 3:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hiarina aho ka handehandeha eny an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kianja, hitady ilay tian’ny fanahiko, eny, nitady azy aho nefa tsy nahita azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy aho anakampoko: «Andeha hifoha aho hitetitety ny tanàna, ny lalam-be sy ny kianja, hitady ilay malalan’ny foko.» Dia nitady azy aho fa tsy nahita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hifoha aho ka hitety ny tanàna, hamakivaky arabe sy kianja, mba hitady ilay tiako; tadiaviko izy fa tsy hitako.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian'ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hiarina aho ka handehandeha eny an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kianja, hitady ilay tian’ny fanahiko, eny, nitady azy aho nefa tsy nahita azy.
malagasy
Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian'ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.